Published On:11-Oct-17

Valanaretina pesta-Mihena ny taha-pahafatesana, ampy tsara ny fanafody

Share This
TAGS

Ho famongorana ny pesta dia niara-niasa ny minisiteran’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, sy ny minisiteran’ny Fahasalamana, ary nanofana mpanao gazety teny amin’ny Institut Analakely. Dr Randrianarison Hanitra, Médecin Inspecteur eto Antananarivo renivohitra, Dr Rambeloson Hasina, ary Dr Sabine no nanome ny tsara ho fantatra. 

 

 

 

Ny fepetra hanafoanana ny pesta, dia efa nisy maromaro no noraisin’ny fitondram-panjakana.

 

Amin’izao fotoana izao dia, misy ny “clinic mobile » izay hanao “riposte” miisa 8. Natomboka omaly ny asan’izy ireo, ankoatra ilay “centre de contrôle” iarahana eny amin’ny tombim-piantsonan’ny fiarakodia sy eny amin’ny tobim-pahasalamana. Ny zavatra iandraiketany dia mitovy amin’ny asa atao eny amin’ny Csb ihany dia ny fanentanana, ny fitiliana ireo olona ahiahiana ho voan’ny pesta, dia ny manao ny fiarovana sy manao ny sivana amin’ny voan’ny aretina. Ny fomba fiasa amin’izao eny amin’ny tobim-pahasalamana dia nasiana “salle d’isolement”. Manao fizahana ny marary tahaka ny isan’andro ihany ny tobim-pahasalamana fa raha misy ny olona ahiahiana ho tratran’ny pesta, dia efa misy ny fitaovana fitiliana eny. Raha voamarina fa “positif” ilay izy dia omen’ny tobim-pahasalamana ny fitsaboana voalohany ilay olona, ary atokana ao anatin’ilay trano voatokana ny marary mandra-pahatonga ny ambulance. Ny Csb II dia efa manana an’izay fitaovana izay. Ny isan’ny “ambulance” koa dia nampitomboina ka nasiana iray isaka ny Boriboritany.

 

Mihena ny tahan’ny fahafatesana

 

Nanazava ireto mpitsabo fa “ny zavatra voamarika dia nitombo ny olona voatily sy fantatra fa hoe tratran’ny pesta, fa nihena ny isan’ny maty. Antony dia efa manomboka mandaitra amin’ny olona ilay fanentanana eny anivon’ny Fokontany sy ny tobim-pahasalamana hoe mila manantona tobim-pahasalamana haingana raha vao misy zavatra mampiahiahy”. Vokany, voatily any am-piandohana ilay olona ka rehefa tonga eny amin’ny toeram-pitsaboana dia mahazo ny fitsaboana sahaza azy, izany hoe ilay “premier soin”, ka rehefa mahazo an’io ny olona dia mihena ny taha-pahafatesan’ilay olona. Ny toerana efa faritra mena raha ny eto Antananarivo dia efa niakatra 20 raha 15 izany teo aloha. Andraisoro, Antsahatsiroa, Tsarahonenana, Amboditsiry, Manjakaray, ny Andohatapenaka, Saropody, Androndra, Ankaraobato, sns…“Mitombina ny filazana fa rehefa matanjaka tsara ny hery fiarovan’ny olona, dia tsy ahiana ho lasa voan’ny pesta izy satria mitandro ny fahadiovana, ka tsy hahamaro isa ny voalavo sy tsy hampitombo ny parasy. Hitantsika ny fivoarany fa raha tany am-boalohany, dia nareforefo ny fanantonan’ny olona ny tobim-pitsaboana. Ny tsara ampahafantarina ny olona anefa, raha vao mahazo soin primaire, raha vao tafiditra ao anatin’ny vatan’ny olona ilay fitsaboana voalohany dia mihena ny taha-pahafatesana”, hoy i Dr Randrianarison Hanitra.

 

Ny tarehimarika farany

 

Ny tarehimarika farany manerana ny nosy, 449 ny trangana pesta, 48 no maty, 187 no sitrana soa aman-tsara rehefa avy nomena fitsaboana, 214 no mbola tsaboina. Ho an’ilay antsoina hoe Grand Tanà ,na Antananarivo sy ny manodidina, ny trangana pesta dia miisa 239, 21 no maty, 126 no sitrana soa aman-tsara rehefa avy nomena fitsaboana, ary 92 no mbola tsaboina. Ny taha hita izany dia 8,8%. Amin’izao dia 197 no pesta aretin-tratra, 38 no pesta atodintariana, 1 no pesta septicémique. Misy ny efa maty vao tonga teny amin’ny tobim-pahasalamana, dia 3 no isany. Amin’ireo 239 ireo ny tranga efa tena voamarina fa voan’ny pesta dia 19, ny tranga mety hitombina dia 95, ary ny tranga mampiahiahy dia 125. Samihafa mihitsy ny tranga raha toa ka pesta atodintariana no mahazo an’ilay olona, satria ilay voalavo mihitsy izany no nitondra ny valanaretina namindra tany amin’ilay olona.

 

Ampy ny fanafody

 

Tsy maintsy mailo isika satria ny fahavaratra dia manomboka ny volana Novambra, ka hatramin’ny Avril. Ampy tsara ny fanafody efa misy antibiotika 1 190 000 doses no efa vonona ao ho an’ny olona 100 000 mifampikasoka amin’ny marary sy ho an’ny tena marary miisa 7 000. Ny Tdr kosa, na ilay fitaovana hanaovana fitiliana dia efa misy 1 300 ny tahiry eny amin’ny institut Pasteur. Efa eo am-panamboarana fitaovana fitiliana miisa 6 000 izy ireo izao, ary mandra-pahatonga ny faran’ny volana dia ho tafakatra 18 000 izany. Ny tetibola entina iatrehana ny pesta amin’izao dia 1,5 tapitrisa dolara, ary mandra-pahavitan’ny fotoana hisian’ny pesta dia heverina fa ho tonga any amin’ny 6 tapitrisa dolara izany. Ny somary nanitikitika ny saina fotsiny dia hoe nahoana no lasa ny Bngrc no mitantana ny ady amin’ny pesta raha tokony ho ny minisiteran’ny Fahasalamana no tena tompon’andraikitra amin’izany?

 

Mila miara-mientana ny rehetra

 

Manoloana ireo olona mandika an’ireo toromarika apetraky ny mpitsabo sy ny fanjakana dia tsy maintsy mandray ny andraikitry ny fanjakana. Tahaka ny tranga tany Toamasina izay nofongariny indray ilay havany matin’ny pesta, ka dia nandray fepetra ny fanjakana nisambotra ilay olona satria ny pesta dia à declaration obligatoire. Ampahafantarina ny rehetra fa ny olona matin’ny pseta dia tsy azo alevina am-pasan-drazana fa tsy maintsy alevina amina toerana efa voatokana amin’izany, ary tsy afaka fongarina sy avadika raha latsaky ny 10 taona. Satria ilay tsimokaretina dia miotrika ao anatin’ny faty. Dila ny 10 taona izay vao mety azo avadika. Ny fepetra atao dia samy manana andraikitra avokoa, na ny tompon’andraikitra eny anivon’ny fahasalamana, na ny mpitandro filaminana, na ny eny anivon’ny fiarahamonina, ny Fokontany, ny Kaomina, ny Faritra. Ny laharana maitso dia ny 910. Na izany aza dia afaka antsoina ihany koa, ary mandeha 24 ora amin’ny 24 ora ny laharana 034 30 810 30, 033 65 800 00, 032 32 038 00. 

 

Ny Aina Razaka