Published On:12-Oct-17

Filoha Zafy Albert-Niditra hopitaly

Share This
TAGS

Hatramin’ny omaly maraina dia fantatra fa tratran’ny aretin’ny fahatapahana lalan-drà ny Filoham-pirenena teo aloha Pr Zafy Albert. Notsaboina teny amin’ny Polyclinique Ilafy izy vokatr’izany, ary mbola ao amin’ny efitrano fameloman’aina hatramin’ny nanoratana ity lahatsoratra ity , satria mbola tsy nahatsiaro tena. Araka ny fanazavana azo ihany dia mety alefa haingana atsy amin’ny nosy Maorisy hotsaboina izy. Tsiahivina fa 90 taona izy izao tratran’ny Avc izao. Ny taona 1992-1996 moa izy no nitondra ny tany sy ny fanjakana. Ny fanaovana satroka penjy amin’ireo faritra izay nalehany no tena nampiavaka azy, ary nahavita nitety an’i Madagasikara tamin’ny alalan’ny fiara tsy mataho-dalana 4x4 izy tao anatin’ny fotoana nitondrany. Fampiatoana azy tamin’ny asany vokatry ny latsa-bato nataon’ireo solombavambahoaka moa no nialany teo amin’ny fitondrana, ary dia niverina lanim-bahoaka nandimby azy indray ny Filoha Ratsiraka Didier nanomboka ny taona 1998.

 

Ny Aina Razaka