Published On:16-May-18

Fanatsarana ny fifidianana : Manampy antsika Afrika Atsimo

Share This
TAGS

Nandritra ny fihaonana nataon’ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana sy ireo delegasiona afrikana tatsimo notarihin’ny Ambasadaorony, Maud Vuyelwa Dloma omaly dia nifantoka tamin’ny resaka fifidianana, ny dinika. Vonona hanampy ny firenena malagasy izy ireo amin’ny dingana fanomanana ny fifidianana, sy eo amin’ny lafin’ny fampandrosoana. Momba ny fifidianana dia mandalo eto amintsika ireo teknisiana manana traikefa manokana amin’ny fikarakarana izan, y ary hihaona amin’ny tompon’andraikitry ny Ceni, ny minisiteran’ny Fitantanam-bola ary ny Banky Foibe izy ireo. Voasoritra amin’ny fiaraha-miasa ny fanampiana ara-pitaovana toa ny angidimby hitaterana ny vokatra. Tsapan’izy ireo fa mizotra mankany amin’ny fikatsahana filaminana mba ahafahana manatanteraka fifidianana demokratika ny Firenena malagasy. Mikasika ny fanomanana ny fifidianana indray, dia nambaran’ny Praiminisitra fa “efa lany sy navoaka ny lalàna ary mbola hisy ihany koa ny lalàna izay hoentina eo anivon’ny filankevitry ny Governemanta ho fanamafisana orina ny fahaleovanten’ny vaomiera manokana misahana ny fifidianana”. Efa jenerana ihany koa ny lalàna mifehy ny antoko politika eto Madagasikara. Mikasika ny toe-draharaha misy ankehitriny dia tanjona ny mba fahatsiarovan-tenan’ny tsairairay hamaha haingana ny olana ahafahana miroso amin’ny fifidianana. Tsara ny manamarika fa ny AEC, na ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana any Afrika Atsimo, ny solontena avy amin’ny fikambanan’ny mpandraharaha, ary ny  delegasionina avy eo anivon’ny minisiteran’ ny Raraham-bahiny Afrikana Tatsimo, no tonga teny Mahazoarivo.

 

 

Ny Aina Razaka