Published On:16-May-18

Cfm : Tsy ho ela ny fihaonan’ireo Filoha

Share This
TAGS

Mbola nitohy omaly ny fihaonana teo amin’ny solontenan’ireo Filoha teto amin’ny firenena. Andro faharoa omaly. Tao ny solontenan’ny Filoha ankehitriny dia ny filohan’ny Antenimieran-doholona, Rakotovao rivo sy ny minisitry ny Asa-panjakana, Maharante Jean de Dieu, ny an’i Ratsiraka Didier dia Yannick Ratsiraka sy Simon Pierre. Ny an’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia i Roland Ravatomanga, Hasina Andriamahadison, ny an’ny Filohan’ny Tetezamita, dia i Augustin Andriamananoro sy Pierre Houlder. Natao handinihana sy hanomanana ny fihaonan’ireo Raiamandreny ireo. Ny hevi-dehibe roa dia ny resaka fifidianana, mangarahara, tsy manavaka eken’ny rehetra. Maro ny zavatra jerena ao anatin’izay fifidianana izay. Ny faharoa dia ny fametrahana komity iray hanara-maso ny zavatra ifanarahana. Misy fifanarahana atao eo amin’ireo mpisehatra politika, io no hitondra any amin’ny filaminana. Misy komity teknika, ahitana ny Cfm sy ny solontenan’ireo Raiamandreny ireo hanomana io fivoriana io ahafahan’izy ireo mitondra soso-kevitra. Hisy fihaonana an-tampony, iarahan’ireo Raiamandreny ireo hanaovana izay fifanarahana izay. Resaky ny samy Malagasy izy ity fa tsy misy idiran’ny vahiny na dia tany amin’ny nonciature aza no nanaovana azy dia nampiantrano fotsiny no nataon’izy ireo. “Ny Cfm no mpanelanelana. Nahazo tso-drano avy any Vatican ny nanaovana ny fivoriana tao amin’ny nonciature Ivandry. Io fihaonana io dia tsy ho ela fa ifampidinihana ny daty.  Tsy maintsy an-databatra boribory ny hamahana ny zavatra miseho na ady io na krizy. Ny Cfm tsy manana soso-kevitra atolotra azy ireo fa ireo Filoha Raiamandreny ireo no hifampidinika, hiady hevitra amin’ny marimaritra iraisana hamahana ny olana”, araka ny nambaran’ny Filohan’ny Cfm, Maka Alphonse.    

 

Ny Aina Razaka